1 Nony fantatri Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoanny tanna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;

2 Ary tonga teo anoloanny vavahadinny mpanjaka azy izy nefa tsy nisy nahazo niditra teo aminny vavahadinny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.

3 Ary tany aminny isan-tokony taminny fanjakana rehetra nalehanny teninny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany Ary nidradradradra, sady maro no nandry taminny lamba fisaonana aman-davenona.

4 Ary niditra ny ankizivavini Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadinny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafiani Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.

5 Ary Estera niantso ani Hatka, tsindranolahinny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amini Mordekay, mba hahafantarany izay antonizany.

6 Dia nivoaka Hatka nakany amini Mordekay ho ao an-kalalahana eo an-tanna, dia ilay eo anoloanny vavahadinny mpanjaka;

7 dia nambarani Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isanny vola izay nokasaini Hamana haloa ho ao an-trano firaketanny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.

8 Ary nomeny azy koa ny kopenny lalna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amini Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao aminny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho anny fireneny.

9 Ary tonga Hatka ka nanambara ny tenini Mordekay tamini Estera.

10 Fa Estera naniraka ani Hatka indray hanao ani Mordekay hoe:

11 Ny mpanomponny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eranny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo aminny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondronny mpanjaka aminny tehim-bolamena hahavelona azy; Ary izaho anefa dia tsy mbola nantsona hiditra ao aminny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.

12 Dia nolazaina tamini Mordekay ny tenini Estera.

13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amini Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra hianao, saingy ao an-tranonny mpanjaka;

14 fa raha hangina mihitsy hianao aminizao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy aminny fitoerana hafa ho anny Jiosy, fa hianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; Ary iza no mahalala, fa angamba ho aminizao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho aminny fanjakana ?

15 Dia nampitondra valiny ho any amini Mordekay indray Estera ka nanao hoe:

16 Mandehana Ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana, Ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; Ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, Ary aminizany no hidirako ao aminny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalna aza; koa raha thiny maty aho dia maty.

17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidiani Estera azy.
